FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 16:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia hoy i Mosesy: “Izao no lazain’i Jehovah: Hisy fitsaharana tanteraka* rahampitso, dia sabata masina ho an’i Jehovah.+ Koa andrahoy ao anaty lafaoro izay tokony handrahoinareo, ary ampangotraho izay tokony hampangotrahinareo.+ Dia ampirimo ny ambiny ary tehirizo mandra-paharainan’ny andro.”

  • Eksodosy 31:13, 14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Mitenena amin’ny Israelita hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo. 14 Tandremo ny Sabata, satria masina aminareo izany.+ Na iza na iza manazimbazimba azy io dia hovonoina ho faty. Ary raha misy olona miasa amin’io andro io, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny izy.+

  • Deoteronomia 5:12-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 13 Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.+ 14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara