-
Eksodosy 20:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Tsarovy ny andro sabata mba ho masina foana io andro io.+ 9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+
-
-
Eksodosy 31:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Mitenena amin’ny Israelita hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.
-