-
Ezekiela 5:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ny ampahatelonareo dia ho fatin’ny areti-mandringana* na ho fatin’ny mosary, eo aminareo. Ary ny ampahatelony indray ho fatin’ny sabatra manodidina anareo.+ Ny ampahatelony sisa kosa haparitako any amin’ny vazan-tany efatra,* ary hanatsoaka sabatra aho hanenjehana azy.+ 13 Dia tsy ho tezitra amin’izy ireo intsony aho avy eo sady ho tony ny hatezerako, ka ho afa-po aho.+ Rehefa avy nanamparako ny hatezerako izy ireo, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah no niteny, satria mitaky ny hanompoana ahy irery ihany aho.+
-