-
Ezekiela 26:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Horavan’izy ireo ny mandan’i Tyro, ary harodany ny tilikambony.+ Hokaofiko ny vovoka ao, dia hataoko lasa vatolampy mangirana sy mangadihady izy. 5 Ho lasa toerana fanahazana harato eo afovoan-dranomasina izy.’+
“‘Fa izaho no efa niteny an’izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘ka horobain’ny firenena izy.
-