-
1 Mpanjaka 10:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Lasa nalaza i Solomona noho ny anaran’i Jehovah.+ Ary henon’ny mpanjakavavin’i Sheba ny lazany, ka tonga hitsapa azy tamin’ny fanontaniana saro-baliana* izy.+ 2 Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanompony* maro be,+ niaraka tamin’ny rameva nitondra menaka balsama+ sy volamena be dia be ary vatosoa. Ary nankao amin’i Solomona izy, ka nilaza taminy an’izay rehetra tao am-pony.
-
-
Isaia 60:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Ny olona avy any Sheba koa ho tonga daholo,
Sady hitondra volamena sy ditin-kazo manitra.
Hilaza ny fiderana an’i Jehovah+ izy ireo.
-