-
Jeremia 25:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko izy ireo ka hiady amin’ity tany ity+ sy ny mponina eto, ary amin’ireo firenena rehetra manodidina ireo.+ Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.
-
-
Daniela 3:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia niantsoantso mafy ny mpitondra hafatra hoe: “Izao no baiko omena anareo, ry vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny: 5 Rehefa henonareo ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka sy mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ianareo.
-