-
Estera 3:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka: “Misy vahoaka iray miparitaka sy miely any amin’ny faritany+ rehetra manerana ny fanjakanao.+ Tsy mitovy amin’ny an’ny vahoaka rehetra ny lalàny, ary tsy mba mankatò ny lalàn’ny mpanjaka izy. Tsy hitondra soa ho an’ny mpanjaka àry raha avela amin’izao fotsiny izy ireo.
-
-
Daniela 6:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Vao henon’i Daniela anefa hoe efa vita sonia ilay lalàna, dia nankao an-tranony izy. Nisokatra tandrifin’i Jerosalema ny varavarankelin’ny efitranony tany an-tampon-trano.+ Dia nandohalika sy nivavaka ary nidera ny Andriamaniny intelo isan’andro izy, araka ny efa fanaony talohan’izay.
-