-
Daniela 4:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Koa namoaka didy aho hoe hoentina eo anatrehako ny olon-kendry rehetra eto Babylona, mba hilaza amiko ny dikan’ilay nofy.+
7 “Dia nankao amiko ny mpisorona mpanao sikidy, ny mpila hevitra amin’ny maty, ny Kaldeanina,* ary ny mpanandro.+ Tsy nahavita nilaza tamiko ny dikan’ilay nofy anefa izy ireo, rehefa nolazaiko taminy ilay nofy.+
-
-
Daniela 5:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Dia niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hasaina hankeo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty, sy ny Kaldeanina,* ary ny mpanandro.+ Dia hoy izy tamin’ireo olon-kendrin’i Babylona ireo: “Izay mahavaky an’io soratra io ka milaza amiko ny dikany, dia hampanaovina akanjo volomparasy, sady hasiana rojo volamena ny vozony,+ ary izy no ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana.”+
8 Dia tonga daholo ny olon-kendrin’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavita namaky an’ilay soratra na nahay nilaza ny dikany tamin’ny mpanjaka.+
-