-
Daniela 7:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Mbola nijery ihany aho taorian’izay, tao amin’ilay fahitana hitako tamin’ny alina, dia nahita biby fahefatra. Nampahatahotra sy nampihoron-koditra ilay izy, sady natanjaka tsy nisy hoatr’izany. Nanana nify vy ngezabe izy io, ary nandrapaka sy nanorotoro, ka izay sisa tsy laniny dia nohitsakitsahiny.+ Hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy, ary nanana tandroka folo.
-
-
Daniela 7:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 “Ary tiako ho fantatra kokoa ny momba an’ilay biby fahefatra, izay tsy nitovy tamin’ny biby hafa rehetra. Tena faran’izay nampahatahotra izy io, ary nanana nify vy sy hoho varahina ka nandrapaka sy nanorotoro. Ary izay sisa tsy laniny dia nohitsakitsahin’ny tongony.+
-