-
Daniela 3:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia niantsoantso mafy ny mpitondra hafatra hoe: “Izao no baiko omena anareo, ry vahoaka sy firenena ary olona samy hafa fiteny: 5 Rehefa henonareo ny feon’ny anjombona, ny sodina, ny valiha vata, ny harpa telozoro, ny zavamaneno fitendry, ny sodina misy kitapon-drivotra, ary ny zavamaneno hafa isan-karazany, dia tsy maintsy miankohoka sy mivavaka amin’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka ianareo. 6 Ary izay tsy miankohoka na mivavaka amin’ilay sarivongana, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.”+
-