-
Hosea 2:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tsy noeritreretiny anefa hoe izaho no nanome azy varimbazaha+ sy divay vaovao ary menaka.
Izaho koa no nanome azy volafotsy be dia be,
Sy volamena, izay samy nampiasainy tamin’izy nanompo an’i Bala.+
9 ‘Hiverina àry aho dia halaiko ny varimbazahako rehefa tonga ny fotoam-pijinjana,
Ary halaiko ny divay vaovao rehefa tonga ny fotoana fanamboarana azy.+
Ary hendahako ny lamba volonondriko sy ny lamba rongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.
-