FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 17:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nanao zavatra tsy mety teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny Israelita. Nanorina toerana avo tany amin’ny tanànany rehetra izy ireo,+ nanomboka teo amin’ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy.* 10 Nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina*+ izy ireo, teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+

  • Hosea 8:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Vao mainka nanao alitara be dia be i Efraima ka nanota.+

      Nihamaro ny alitarany ka vao mainka izy ireo nanota.+

  • Hosea 10:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Voaloboka efa simba* ny Israely, sady mamoa.+

      Rehefa mihabetsaka ny voany, dia vao mainka manao alitara be dia be izy.+

      Rehefa mihamamokatra ny taniny, dia vao mainka ataony tsara tarehy ny tsato-kazony masina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara