-
Amosa 8:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Henoy izao, ry mpampijaly ny mahantra,
Dia ianareo izay mandripaka ny mpandefitra eto amin’ity tany ity,+
5 Ka miteny hoe: ‘Rahoviana vao ho tapitra ny fetin’ny tsinam-bolana+ mba hivarotanay varimbazaha,
Ary ny Sabata+ mba hahafahanay hivarotra varimbazaha indray?
Dia ho afaka hampiasa efaha* kely kokoa
Sy sekely* mavesatra kokoa izahay,
Dia tsy ho marina intsony ny mizana, ka ho afaka hanambaka izahay.+
6 Dia ho afaka hividy olona sahirana koa izahay, ka volafotsy no hividiananay azy,
Sady ho afaka hividy olona mahantra, ka hoatran’ny vidina kapa no hividiananay azy,+
Ary ho afaka hivarotra varimbazaha efa fakofakony.’
-