-
1 Mpanjaka 16:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Omry, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany.+
-
-
1 Mpanjaka 16:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany,+ i Ahaba zanak’i Omry.
-
-
2 Mpanjaka 16:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary 20 taona i Ahaza tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 16 taona tany Jerosalema izy. Tsy nanao izay tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba hoatran’i Davida razambeny.+ 3 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa izy. Nandoro ny zanany tao anaty afo+ mihitsy aza izy, ka nanao an’ireo zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ efa noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.
-