-
2 Mpanjaka 21:18-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Manase, ka nalevina tao amin’ny zaridainan’ny tranony, tao amin’ny zaridainan’i Oza.+ Ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
19 Lasa mpanjaka i Amona+ tamin’izy 22 taona, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema+ izy. Mesolemeta no anaran-dreniny, ary zanak’i Haroza avy any Jotba izy io. 20 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Amona, toy ny nataon’i Manase rainy.+
-