-
Jeremia 52:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina ny mpanjakan’i Babylona sady mpanompony.+ 13 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema. Nodorany koa ny trano lehibe rehetra. 14 Ary narodan’ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiambina, ny manda manodidina an’i Jerosalema.+
-