FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 11:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 dia handatsaka orana ara-potoana eo amin’ny taninareo izy,* dia oram-pararano* sy oran-dohataona.* Dia hanangona ny varimbazahanareo sy ny divay vaovao ary ny menakareo ianareo.+

  • Jeremia 14:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy dikany tompoin’ireo firenena,

      Na mahavita mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?

      Tsy Ianao irery ihany ve no mahavita an’izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+

      Koa ianao no antenainay,

      Satria ianao ihany no manao an’izany rehetra izany.

  • Jeremia 51:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Rehefa ataony heno ny feony,

      Dia misamboaravoara ny rano eny amin’ny lanitra,

      Ary mampiakatra rahona* avy any amin’ny faran’ny tany izy.

      Manao tselatra* ho an’ny orana izy,

      Ary avoakany avy ao amin’ny trano fitehirizany azy ny rivotra.+

  • Ezekiela 34:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary hataoko mahazo fitahiana* izy ireo sy ny faritra manodidina ny havoanako.+ Hataoko milatsaka ara-potoana koa ny orana. Dia hirotsaka hoatran’ny orana ny fitahiana.+

  • Joela 2:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Mifalia sy miravoravoa noho izay hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo,+ ry zanak’i Ziona,

      Fa hanome anareo oram-pararano* ampy tsara izy,

      Ary handatsaka oram-be aminareo,

      Dia oram-pararano sy oran-dohataona,* hoatran’ny taloha.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara