FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany,+ ka hahavokatra ny tany+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.

  • Deoteronomia 8:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao.+ Tany be renirano* izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin’ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra. 8 Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra,+ menak’oliva, ary tantely.+ 9 Tsy ho ory sakafo ianao ao amin’izany tany izany, sady tsy ho ory na inona na inona. Misy vy ny vato ao, ary ao amin’ny tendrombohitra ao ianao no hitrandraka varahina.

  • Deoteronomia 28:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hosokafan’i Jehovah ho anao ny lanitra, izay fitehirizany vokatra be dia be, ka handatsaka orana ara-potoana eo amin’ny taninao izy+ sady hitahy an’izay rehetra ataonao. Dia hampindrana zavatra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hindrana.+

  • Jeremia 14:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy dikany tompoin’ireo firenena,

      Na mahavita mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?

      Tsy Ianao irery ihany ve no mahavita an’izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+

      Koa ianao no antenainay,

      Satria ianao ihany no manao an’izany rehetra izany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara