-
2 Tantara 36:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+
-
-
Daniela 9:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nandika ny Lalànao daholo ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao. Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy mpanomponao,+ satria nanota taminao izahay. 12 Notanterahinao ny teny nanamelohanao anay+ sy ny mpitondra nitondra anay.* Koa nandefasanao loza lehibe izahay, ary mbola tsy nisy loza hoatran’ny nanjo an’i Jerosalema+ mihitsy na taiza na taiza tetỳ ambanin’ny lanitra.
-