-
Ezekiela 44:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 “‘Tokony hampianatra ny vahoakako izy ireo hoe inona no maha samy hafa ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina, sy ny maha samy hafa ny zavatra maloto sy ny zavatra madio.+ 24 Izy ireo no tokony hitsara rehefa misy raharaha hotsaraina,+ ka hitsara mifanaraka amin’ny didim-pitsarana navoakako.+ Tokony harahiny koa ny lalàko sy ny fitsipiko momba ny fety rehetra,+ ary tokony hohamasininy ny sabatako.
-