-
Marka 1:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nandeha teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy, indray mandeha, dia nahita an’i Simona sy Andrea rahalahiny+ nanipy ny haratony tao anaty ranomasina.+ Mpanarato mantsy izy ireo.+ 17 Dia hoy i Jesosy taminy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.”+ 18 Tonga dia namela ny haratony àry izy ireo ka nanaraka azy.+
-