-
Lioka 12:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Amidio ny fanananareo ka manomeza zavatra mba hiantrana ny mahantra.*+ Ary fitoeram-bola tsy mety tonta no ataovy fitoeram-bolanareo, dia harena any an-danitra tsy mety lany,+ satria tsy tongan’ny mpangalatra any sady tsy misy bibikely* manimba. 34 Fa any amin’izay misy ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo.
-
-
Lioka 18:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Hoy i Jesosy rehefa naheno an’izany: “Misy zavatra iray mbola tokony hataonao: Amidio daholo ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra ny vola azo amin’ilay izy, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.”+
-