FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 7:1-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Niditra tao Kapernaomy i Jesosy, rehefa tapitra izay tokony holazainy tamin’ny vahoaka. 2 Ary nisy manamboninahitra iray nanana mpanompo tena tiany, nefa narary mafy efa ho faty ilay mpanompo.+ 3 Koa rehefa nandre ny momba an’i Jesosy ilay manamboninahitra, dia nisy anti-panahin’ny* Jiosy nirahiny ho any amin’i Jesosy, mba hangataka azy ho avy ka hanasitrana an’ilay mpanompo. 4 Dia tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ary niangavy mafy azy hoe: “Mendrika ny hanaovanao an’izany izy, 5 satria tiany ny firenentsika sady nanorina synagoga teto aminay izy.” 6 Nandeha niaraka tamin’izy ireo àry i Jesosy. Rehefa tsy lavitra an’ilay trano anefa izy, dia efa nisy naman’ilay manamboninahitra nirahiny hilaza taminy hoe: “Aza misahirana mankatỳ amiko, tompoko, fa tsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho.+ 7 Na izaho aza tsy mieritreritra hoe mendrika hankeny aminao. Fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko. 8 Izaho koa mantsy eo ambany fahefan’olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin’ny miaramila anankiray aho hoe: ‘Mandehana!’, dia lasa izy, ary amin’ny anankiray kosa hoe: ‘Avia!’, dia tonga izy, ary amin’ny mpanompoko hoe: ‘Ataovy ity!’ dia ataony izany.” 9 Gaga i Jesosy rehefa naheno an’izany, ka nitodika tany amin’ny vahoaka nanaraka azy, ary niteny hoe: “Lazaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lehibe hoatr’izany aho, na teo amin’ny Israely aza.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara