-
Lioka 8:52-56Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
52 Nitomany daholo ny olona sady nikapo-tratra satria nalahelo an’ilay ankizivavy. Koa niteny i Jesosy hoe: “Aza mitomany intsony!+ Tsy maty izy fa matory.”+ 53 Dia nihomehezan’ireo izy, satria fantatr’izy ireo fa maty ilay ankizivavy. 54 Nandray ny tanany anefa i Jesosy, ka niantso hoe: “Ry zazavavy, miarena!”+ 55 Dia nody indray ny ainy,*+ ka niarina avy hatrany+ izy ary nasain’i Jesosy nomena sakafo. 56 Ary faly loatra ny ray aman-dreniny, kanefa tsy navelan’i Jesosy hilazalaza tamin’iza na iza an’izay nitranga izy ireo.+
-