-
Marka 6:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary na aiza na aiza toerana tsy handray anareo na tsy hihaino anareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao, mba ho vavolombelona aminy.”+
-
-
Lioka 9:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary na aiza na aiza misy olona tsy mandray anareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao amin’ilay tanàna ianareo, mba ho vavolombelona hiampanga azy.”+
-
-
Lioka 10:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hijanona ao aminy ny fiadananareo, fa raha tsy izany kosa, dia hiverina aminareo izany.
-
-
Lioka 10:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 ‘Na ny vovoky ny tanànanareo izay manaraka ny tongotray aza, dia fafanay mba hiampanga anareo.+ Fantaro anefa fa manakaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.’
-
-
Asan’ny Apostoly 13:50, 51Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
50 Fa nampirisihin’ny Jiosy ny vehivavy manan-kaja izay mpivavaka tamin’Andriamanitra, sy ireo manam-pahefana tao an-tanàna, ka nitaona ny olona hanenjika+ an’i Paoly sy Barnabasy, sady nandroaka azy roa lahy tany ivelan’ny faritaniny. 51 Koa nahintsan’izy roa lahy ny vovoka tamin’ny tongony mba hanamelohana azy ireo, dia lasa nankany Ikonioma izy roa lahy.+
-