-
Jona 3:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive,+ ka nanao antso avo hoe tokony hifady hanina daholo. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. 6 Rehefa henon’ny mpanjakan’i Ninive ilay hafatra, dia nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany izy ka nesoriny ny akanjom-boninahiny. Ary nitafy lamba gony izy, sady nipetraka teo amin’ny lavenona.
-
-
Lioka 10:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Hahita loza ianao, ry Korazina! Hahita loza ianao, ry Betsaida! Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana an’ireny fahagagana natao tao aminareo ireny, dia ho efa ela ry zareo no nibebaka ka nipetraka nanao akanjo gony sy nihosina lavenona.+
-