-
Eksodosy 31:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito.+ Masina amin’i Jehovah ny Sabata, ka tsy maintsy hovonoina ho faty izay miasa amin’io andro io.
-
-
Deoteronomia 5:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Aza manao asa na inona na inona,+ na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tanànanao.*+ Amin’izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr’anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.+
-