-
Matio 16:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nanomboka teo dia nanazava tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tsy maintsy mankany Jerosalema izy, dia hampijalijalin’ny anti-panahy sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.+
-
-
Matio 17:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Hovonoiny ho faty izy, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”+ Dia nalahelo be izy ireo.
-
-
Matio 27:63Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
63 ka nilaza hoe: “Tadidinay, tompoko, ny tenin’iny mpisandoka iny tamin’izy mbola velona hoe: ‘Hitsangana aho rehefa afaka telo andro.’+
-
-
Lioka 24:46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 ka hoy izy: “Izao no efa voasoratra: Hijaly i Kristy, dia hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo,+
-