FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 6:45-52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nasainy nankao an-tsambokely avy hatrany ny mpianany avy eo, ka nasainy nialoha azy nankeny ampita, ho any Betsaida, fa izy mbola nandrava ny vahoaka.+ 46 Rehefa avy nanao veloma ny vahoaka izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.+ 47 Efa hariva be ny andro, ary teny afovoan’ny ranomasina ilay sambokely, fa izy kosa irery teny an-tanety.+ 48 Avy eo dia hitany fa sahirana mafy nivoy ny mpianany, satria notoherin’ny rivotra ilay sambo. Dia nandeha teo ambony ranomasina izy nanatona an’ireo, tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra tamin’ny alina.* Ary hoatran’ny hoe* hisongona an’ireo izy. 49 Vao nahita azy nandeha teo ambony ranomasina izy ireo, dia nieritreritra hoe: “Misy zavatra hafahafa iny!”* Dia niantsoantso mafy izy ireo, 50 satria nahita azy daholo izy rehetra ka natahotra. Tonga dia niteny tamin’izy ireo anefa izy hoe: “Mahereza fa izaho ihany ity! Aza matahotra.”+ 51 Niakatra tao an-tsambokely izy avy eo, ary nitsahatra ny rivotra. Dia gaga be izy ireo, 52 satria tsy takany ny dikan’ilay fahagagana natao tamin’ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan’izany.

  • Jaona 6:16-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara