FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Marka 8:1-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tamin’izany andro izany, dia nisy vahoaka be indray teo, ary tsy nanana zavatra hohanina izy ireo. Nasain’i Jesosy nankeo aminy àry ny mpianany, dia noteneniny hoe: 2 “Mampalahelo ahy ireto vahoaka ireto,+ fa efa telo andro izao ry zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina.+ 3 Raha noana* ry zareo no alefako mody, dia ho reraka eny an-dalana. Ny sasany koa avy lavitra.” 4 Hoy anefa ny mpianany: “Aiza atỳ amin’ity toerana mitokana ity no hahitana mofo hahavoky an’ireo olona ireo?” 5 Ary hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Firy ny mofo any aminareo?” Dia hoy izy ireo: “Fito.”+ 6 Ary nasainy naka toerana teo amin’ny tany ny vahoaka. Noraisiny ny mofo fito avy eo ka nisaotra an’Andriamanitra izy. Dia notapahiny ny mofo ka nozarainy tamin’ny mpianany mba harosony, ary izy ireo indray nandroso an’ilay izy tamin’ny vahoaka.+ 7 Nanana trondro madinika vitsivitsy koa izy ireo. Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia nasainy naroso koa izany. 8 Dia nihinana ny olona ka voky, ary nangonin’ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika lehibe fito.*+ 9 Lehilahy 4 000 teo ho eo no nihinana tamin’izay. Noravany ny olona avy eo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara