FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 15:32-38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary nantsoin’i Jesosy nankeo aminy ny mpianany, ka hoy izy: “Mampalahelo ahy ireto vahoaka ireto,+ fa efa telo andro izao ry zareo no nijanona teto amiko, sady tsy manan-kohanina. Tsy tiako anefa raha hoe noana* izy no asaina mandeha, sao ho reraka eny an-dalana.”+ 33 Hoy anefa ny mpianatra taminy: “Aiza atỳ amin’ity toerana mitokana ity isika no hahita mofo hahavoky an’ireo vahoaka be ireo?”+ 34 Ary hoy i Jesosy taminy: “Firy ny mofo any aminareo?” Dia hoy izy ireo: “Fito, dia misy trondro madinika vitsivitsy koa.” 35 Nasainy naka toerana teo amin’ny tany àry ny vahoaka, 36 dia noraisiny ny mofo fito sy ny trondro. Rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra izy, dia notapahiny ny mofo ka nozarainy tamin’ny mpianatra, ary ny mpianatra indray nizara an’ilay izy tamin’ny vahoaka.+ 37 Dia nihinana daholo ny olona ka voky, ary nangonin’ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika lehibe fito.*+ 38 Lehilahy 4 000 no nihinana tamin’izay, ankoatra ny zaza amam-behivavy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara