-
Marka 12:13-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary nirahin’ireo hankany amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny mpanohana an’i Heroda mba hamandrika azy amin’ny teniny.+ 14 Rehefa tonga ireo dia niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona,* ary marina ny fampianaranao momba an’Andriamanitra. Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara? 15 Tokony handoa ve izahay sa tsia?” Fantatr’i Jesosy anefa hoe nihatsaravelatsihy izy ireo, ka hoy izy taminy: “Maninona ianareo no mitsapa ahy? Itondray denaria* iray aho hojereko.” 16 Dia nitondran’ireo izy. Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” Hoy ireo taminy: “An’i Kaisara.” 17 Hoy àry i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Dia talanjona tamin’ny teniny ireo.
-
-
Lioka 20:20-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Nanara-maso akaiky an’i Jesosy àry izy ireo, ary naniraka olona, izay nokaramainy mangingina hiseho ho olo-marina, mba hamandrika an’i Jesosy amin’ny teniny.+ Amin’izay izy ireo ho afaka hanolotra azy amin’ny mpitondra sy ny governora.* 21 Ary nanontany an’i Jesosy izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mijery tavan’olona* ianao, fa marina ny fampianaranao momba an’Andriamanitra. 22 Azonay atao* ve sa tsia ny mandoa hetra amin’i Kaisara?” 23 Takatr’i Jesosy anefa fa fetsy ratsy izy ireo, ka hoy izy taminy: 24 “Ampisehoy denaria* iray aho. Sarin’iza io eo io, dia anaran’iza io?” Hoy izy ireo: “An’i Kaisara.” 25 Dia hoy izy: “Noho izany àry, dia aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 26 Koa tsy afaka namandrika azy tamin’ny teniny teo anatrehan’ny olona izy ireo, fa kepoka tsy nahateny satria gaga tamin’ny valin-teniny.
-