-
Matio 22:15-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia lasa ny Fariseo ka niray tetika hamandrika an’i Jesosy amin’ny teniny.+ 16 Nirahin’izy ireo nankany amin’i Jesosy àry ny mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda,+ hiteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona.* 17 Lazao aminay àry izay hevitrao: Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara?” 18 Fantatr’i Jesosy anefa fa ratsy saina izy ireo, ka hoy izy: “Ry mpihatsaravelatsihy, maninona ianareo no mitsapa ahy? 19 Asehoy ahy ny vola madinika andoavana hetra.” Dia nitondran’ireo denaria* iray izy. 20 Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” 21 Hoy izy ireo: “An’i Kaisara.” Dia hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 22 Gaga izy ireo rehefa naheno an’izany, dia lasa nandeha.
-
-
Lioka 20:20-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Nanara-maso akaiky an’i Jesosy àry izy ireo, ary naniraka olona, izay nokaramainy mangingina hiseho ho olo-marina, mba hamandrika an’i Jesosy amin’ny teniny.+ Amin’izay izy ireo ho afaka hanolotra azy amin’ny mpitondra sy ny governora.* 21 Ary nanontany an’i Jesosy izy ireo hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mijery tavan’olona* ianao, fa marina ny fampianaranao momba an’Andriamanitra. 22 Azonay atao* ve sa tsia ny mandoa hetra amin’i Kaisara?” 23 Takatr’i Jesosy anefa fa fetsy ratsy izy ireo, ka hoy izy taminy: 24 “Ampisehoy denaria* iray aho. Sarin’iza io eo io, dia anaran’iza io?” Hoy izy ireo: “An’i Kaisara.” 25 Dia hoy izy: “Noho izany àry, dia aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 26 Koa tsy afaka namandrika azy tamin’ny teniny teo anatrehan’ny olona izy ireo, fa kepoka tsy nahateny satria gaga tamin’ny valin-teniny.
-