-
Matio 6:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Tandremo sao hoe ny mba ho hitan’ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo imasony.+ Raha izany mantsy, dia tsy hahazo valisoa avy amin’ilay Rainareo any an-danitra ianareo. 2 Koa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny* mahantra ianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny synagoga sy eny an-dalana mba hideran’ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.
-