-
Lioka 12:45, 46Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Fa raha miteny anakampo kosa ilay mpanompo hoe: ‘Mba ela koa izany tompoko izany vao tonga!’ ka manomboka mikapoka ny mpanompolahy sy mpanompovavy izy, ary mihinana sy misotro ka mamo,+ 46 dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy hiaraka amin’ny olona tsy mendri-pitokisana.
-