-
Marka 14:37-42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Niverina teo amin’ny mpianany izy ka nahita azy ireo natory, dia hoy izy tamin’i Petera: “Simona! Matory angaha ianao? Tsy nahavita niari-tory adiny iray akory ve ianao?+ 38 Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.+ Mazoto* ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”+ 39 Dia lasa indray izy nivavaka, ka izay efa noteneniny teo aloha ihany no naveriny.+ 40 Dia niverina indray izy, ary mbola nahita azy ireo natory fa navesatra ny masony. Tsy hitan’izy ireo àry izay havaly azy. 41 Ary niverina fanintelony izy dia niteny tamin’ireo hoe: “Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo amin’izao fotoana izao? Aoka izay! Efa tonga ny ora!+ Jereo fa hisy hamadika ny Zanak’olona, ka hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota. 42 Mitsangàna dia andao isika handeha, fa efa akaiky ilay mpamadika ahy.”+
-
-
Lioka 22:45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Rehefa avy nivavaka izy dia nitsangana, ka nankeny amin’ny mpianany, ary nahita azy ireo efa rendremana satria reraky ny alahelo.+
-