17 Fa i Heroda efa naniraka olona hisambotra an’i Jaona sy hamatotra azy tao am-ponja, satria izany no tian’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Efa nalainy ho vadiny mantsy io vehivavy io.+ 18 Fa efa notenenin’i Jaona i Heroda hoe: “Tsy azonao atao ny manambady ny vadin’ny rahalahinao.”+