-
Marka 15:2-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Nanontanian’i Pilato àry izy hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?”+ Hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+ 3 Ary betsaka ny zavatra niampangan’ny lehiben’ny mpisorona azy. 4 Nanontany azy indray i Pilato hoe: “Ary toa tsy mamaly ianao?+ Be dia be ange izany zavatra iampangany anao izany e!”+ 5 Tsy namaly intsony anefa i Jesosy, ka gaga i Pilato.+
-
-
Lioka 23:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nanontany azy i Pilato hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?” Hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+
-
-
Jaona 18:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Niditra tao an-tranon’ny governora indray i Pilato, dia nantsoiny i Jesosy ka nanontaniany hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?”+
-