-
Matio 27:11-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary nijoro teo anatrehan’ny governora i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?” Dia hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+ 12 Tsy namaly mihitsy anefa izy rehefa nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy.+ 13 Ary hoy i Pilato: “Angaha tsy henonao izany zavatra be dia be iampangany anao izany?” 14 Tsy namaly azy anefa izy na indraim-bava aza, dia gaga be ilay governora.
-
-
Lioka 23:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nanontany azy i Pilato hoe: “Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?” Hoy i Jesosy: “Voalazanao.”+
-