-
Marka 15:16-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nentin’ny miaramila nankao amin’ny tokotany tao amin’ny tranon’ny governora izy, ka novorin’izy ireo daholo ny miaramila.+ 17 Dia nampanaovin’ireo lamba volomparasy izy. Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo, dia nataony teo amin’ny lohany. 18 Ary nanomboka niantsoantso izy ireo hoe: “Miarahaba anao,* ry Mpanjakan’ny Jiosy!”+ 19 Nokapohin’ireo tamin’ny bararata koa ny lohany, dia nororany izy. Ary nandohalika sy niankohoka teo anatrehany ireo. 20 Tamin’ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba volomparasy, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin’ny tsato-kazo+ izy avy eo.
-