FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 27:27-31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary nentin’ny miaramilan’ny governora nankao an-tranon’ny governora i Jesosy, dia novorin’izy ireo nanodidina azy daholo ny miaramila.+ 28 Dia nesorin’izy ireo ny akanjon’i Jesosy, ka nampitafiany lamba mena midorehitra izy.+ 29 Nandrandrana fehiloha tsilo koa izy ireo ka nataony teo amin’ny lohan’i Jesosy, dia nasiany bararata teny an-tanany ankavanana. Ary nandohalika teo anatrehany izy ireo, dia nanesoeso azy sady niteny hoe: “Miarahaba anao,* ry Mpanjakan’ny Jiosy!” 30 Dia nororan’ireo izy,+ sady nalainy ilay bararata ka nokapohiny tamin’iny ny lohany. 31 Tamin’ny farany, rehefa avy nanesoeso azy izy ireo, dia nesoriny ilay lamba, ary nampanaoviny azy indray ny akanjony ivelany. Nentiny hofantsihana teo amin’ny tsato-kazo izy avy eo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara