-
Matio 8:30-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Ary nisy kisoa be dia be nandrasana, teny lavidavitra teny.+ 31 Niangavy azy àry ireo demonia hoe: “Raha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin’irỳ andian-kisoa irỳ.”+ 32 Ary hoy izy tamin’ireo: “Mandehana!” Nivoaka àry izy ireo ka lasa niditra tao amin’ireo kisoa ireo. Dia ireny fa nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andiany manontolo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano. 33 Nandositra nankany an-tanàna kosa ireo mpiandry kisoa ka notantarainy daholo izay nitranga, anisan’izany ny momba an’ireo lehilahy nisy demonia.
-
-
Lioka 8:32-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary nisy kisoa+ be dia be nandrasana teo amin’ilay tendrombohitra. Koa niangavy an’i Jesosy ireo demonia mba havelany hiditra tao amin’ireo kisoa ireo, dia nekeny izany.+ 33 Dia nivoaka tamin’ilay lehilahy ireo demonia, ka niditra tao amin’ireo kisoa. Ary nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andian-kisoa, dia nivarina tany amin’ny farihy ka maty an-drano. 34 Rehefa nahita an’izay nitranga ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ka nitantara an’izany tao an-tanàna sy tany ambanivohitra.
-