FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 8:30-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ary nisy kisoa be dia be nandrasana, teny lavidavitra teny.+ 31 Niangavy azy àry ireo demonia hoe: “Raha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin’irỳ andian-kisoa irỳ.”+ 32 Ary hoy izy tamin’ireo: “Mandehana!” Nivoaka àry izy ireo ka lasa niditra tao amin’ireo kisoa ireo. Dia ireny fa nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andiany manontolo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano. 33 Nandositra nankany an-tanàna kosa ireo mpiandry kisoa ka notantarainy daholo izay nitranga, anisan’izany ny momba an’ireo lehilahy nisy demonia. 34 Dia nivoaka hitsena an’i Jesosy daholo ny iray tanàna. Rehefa hitan’izy ireo i Jesosy, dia niangaviany hiala tao amin’ilay faritra.+

  • Marka 5:11-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary nisy andian-kisoa+ nandrasana teo amin’ilay tendrombohitra.+ 12 Koa niangavy an’i Jesosy ireo fanahy maloto ireo hoe: “Mba avelao hiditra ao amin’iretsy kisoa iretsy re izahay e!” 13 Dia neken’i Jesosy izany. Nivoaka àry ireo fanahy maloto ka niditra tao amin’ireo kisoa ireo. Ary nirifatra nankeny amin’ny hantsana* ilay andian-kisoa, izay nisy kisoa 2 000 teo ho eo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano. 14 Ireo mpiandry kisoa kosa nandositra ka nitantara an’izany tao an-tanàna sy tany ambanivohitra. Dia tonga nijery an’izay nitranga ny olona.+ 15 Tonga teo amin’i Jesosy àry izy ireo, ka nahita fa nipetraka sy efa niakanjo sady efa salama saina ilay lehilahy nisy demonia, ilay nisy an’ilay andian-tafika. Koa natahotra ny olona. 16 Izay nahita an’izany koa dia nitantara tamin’izy ireo izay nitranga tamin’ilay lehilahy nisy demonia sy ny nanjo an’ireo kisoa. 17 Niangavian’izy ireo àry i Jesosy mba hiala tao amin’ilay faritra nisy azy ireo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara