-
Lioka 8:45-48Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Hoy àry i Jesosy: “Iza no nikasika ahy teo?” Nanda anefa ny rehetra, dia hoy i Petera: “Mpampianatra ô, vahoaka be ange no manodidina anao sady mifanesika aminao e!”+ 46 Fa hoy i Jesosy: “Nisy olona nikasika ahy teo, satria tsapako fa nisy hery+ niala tamiko.” 47 Hitan’ilay vehivavy fa nisy nahatsikaritra izy, ka nanatona izy sady nangovitra dia nandohalika teo anatrehany. Ary notantarainy teo imason’ny olona rehetra ny antony nikasihany azy sy ny fomba nahasitrana azy teo no ho eo. 48 Hoy anefa i Jesosy taminy: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho!”+
-