-
Marka 5:30-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Tonga dia fantatr’i Jesosy fa nisy hery+ niala taminy ka nitodika izy, tao anaty vahoaka, ary nanontany hoe: “Iza no nikasika ny akanjoko teo?”+ 31 Hoy anefa ny mpianany taminy: “Hitanao fa mifanesika aminao ny vahoaka, ka maninona ianao no manontany hoe: ‘Iza no nikasika ahy?’” 32 Nijery ny manodidina azy anefa izy mba hahitana an’ilay nikasika azy. 33 Dia nanatona ilay vehivavy, sady natahotra sy nangovitra ihany. Fantany koa hoe sitrana izy. Nandohalika teo anatrehan’i Jesosy izy, ka notsoriny taminy ny marina rehetra. 34 Dia hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho,+ ary enga anie ianao tsy ho tratran’iny aretina nampijaly anao iny intsony!”+
-