-
Marka 7:32, 33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Ary nentin’ny olona teo aminy ny lehilahy iray marenina sady niraiki-dela,+ ka niangavian’izy ireo izy mba hametra-tanana taminy. 33 Dia nentin’i Jesosy nitokana lavidavitra ny vahoaka ilay lehilahy. Ary nampidiriny tao an-tsofin’ilay lehilahy ny rantsantanany, ka nandrora izy, dia avy eo nokasihiny ny lelan’ilay lehilahy.+
-
-
Jaona 9:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tamin’izy nandalo, dia nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny.
-
-
Jaona 9:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Rehefa avy niteny an’izany izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tanimanga tamin’ny rorany. Dia nohosorany an’ilay izy ny mason’ilay lehilahy,+
-