FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 21:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema izy ireo ka tonga tao Betifaga, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesosy.+ 2 Hoy izy: “Mandehana ao amin’irỳ tanàna kely irỳ. Tonga dia hahita ampondra mifatotra miaraka amin’ny zanany ianareo ao. Vahao ireo dia ento atỳ amiko. 3 Ary raha misy manontany anareo, dia teneno hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’ Dia tonga dia halefany ireo.”

  • Lioka 19:29-34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ary rehefa nanakaiky an’i Betifaga sy Betania, teo amin’ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva,+ izy, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany.+ 30 Dia hoy izy: “Mandehana ao amin’irỳ tanàna kely irỳ. Ary rehefa tafiditra ao ianareo, dia hahita zanak’ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan’olona mihitsy. Vahao ilay izy dia ento atỳ. 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: ‘Fa maninona io no vahanareo?’, dia teneno hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy.’” 32 Dia lasa ireo mpianatra nirahiny, ka nahita an’izay nolazainy tamin’izy ireo.+ 33 Raha mbola namaha an’ilay zanak’ampondra anefa izy ireo, dia hoy ny tompony: “Fa maninona no vahanareo io zanak’ampondra io?” 34 Dia namaly izy ireo hoe: “Misy ilan’ny Tompo azy.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara