FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 21:23-27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Rehefa nankao amin’ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny vahoaka, tamin’izy mbola nampianatra tao. Ary hoy izy ireo: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao an’izany fahefana izany?”+ 24 Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa mba hanontany zavatra iray aminareo. Raha valianareo ilay izy, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao: 25 Avy aiza no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa? Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?” Dia nifampiresaka ireo hoe: “Raha miteny izao isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hiteny izy hoe: ‘Koa naninona ianareo no tsy nino azy?’+ 26 Raha miteny anefa isika hoe: ‘Avy amin’ny olona’, dia ny vahoaka indray no atahorantsika, satria mihevitra daholo ry zareo hoe mpaminany i Jaona.” 27 Hoy àry izy ireo tamin’i Jesosy: “Tsy fantatray.” Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.

  • Lioka 20:1-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Indray andro, raha mbola nampianatra olona tao amin’ny tempoly i Jesosy, sady nitory ny vaovao tsara, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, 2 ka niteny taminy hoe: “Lazao aminay hoe fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao an’izany fahefana izany?”+ 3 Dia namaly izy hoe: “Izaho koa mba hanontany anareo ka valio: 4 Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?” 5 Dia niara-nidinika izy ireo hoe: “Raha miteny izao isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza izy hoe: ‘Koa naninona ianareo no tsy nino azy?’ 6 Raha miteny anefa isika hoe: ‘Avy amin’ny olona’, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria resy lahatra ry zareo fa mpaminany i Jaona.”+ 7 Koa namaly izy ireo hoe tsy fantany na avy aiza na avy aiza. 8 Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara