-
Marka 11:27-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Tonga tao Jerosalema indray izy ireo. Rehefa nandehandeha tao amin’ny tempoly izy, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, 28 ka niteny taminy hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao fahefana hanao an’izao?”+ 29 Ary hoy i Jesosy tamin’ireo: “Hanontany zavatra iray aminareo aho. Valio aho, dia holazaiko aminareo koa hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao. 30 Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?+ Mba valio aho.”+ 31 Dia nifampiresaka ireo hoe: “Raha miteny izao isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hiteny izy hoe: ‘Koa naninona ianareo no tsy nino azy?’ 32 Ho sahintsika anefa ve ny hiteny hoe: ‘Avy amin’ny olona’?” Natahotra ny vahoaka mantsy izy ireo, satria nihevitra daholo izy rehetra hoe tena mpaminany i Jaona.+ 33 Hoy àry izy ireo tamin’i Jesosy: “Tsy fantatray.” Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”
-
-
Lioka 20:1-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Indray andro, raha mbola nampianatra olona tao amin’ny tempoly i Jesosy, sady nitory ny vaovao tsara, dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny anti-panahy, 2 ka niteny taminy hoe: “Lazao aminay hoe fahefana avy aiza no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao an’izany fahefana izany?”+ 3 Dia namaly izy hoe: “Izaho koa mba hanontany anareo ka valio: 4 Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?” 5 Dia niara-nidinika izy ireo hoe: “Raha miteny izao isika hoe: ‘Avy any an-danitra’, dia hilaza izy hoe: ‘Koa naninona ianareo no tsy nino azy?’ 6 Raha miteny anefa isika hoe: ‘Avy amin’ny olona’, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria resy lahatra ry zareo fa mpaminany i Jaona.”+ 7 Koa namaly izy ireo hoe tsy fantany na avy aiza na avy aiza. 8 Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an’izao.”
-