Matio 3:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Tatỳ aoriana, dia tonga nitory+ tany an-tany efitr’i Jodia i Jaona+ Mpanao Batisa. Matio 3:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Dia nivoaka hihaino an’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.+ Matio 14:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 I Jaona mantsy efa nosamborin’i Heroda* sy nofatorany ary nogadrainy, noho ilay olana momba an’i Herodiasy. Vadin’i Filipo rahalahin’i Heroda i Herodiasy,+ Matio 14:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Te hamono an’i Jaona i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra izy ireo hoe mpaminany i Jaona.+ Marka 6:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.
5 Dia nivoaka hihaino an’i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran’i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon’i Jordana.+
3 I Jaona mantsy efa nosamborin’i Heroda* sy nofatorany ary nogadrainy, noho ilay olana momba an’i Herodiasy. Vadin’i Filipo rahalahin’i Heroda i Herodiasy,+
5 Te hamono an’i Jaona i Heroda saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nihevitra izy ireo hoe mpaminany i Jaona.+
20 Natahoran’i Heroda mantsy i Jaona, satria fantany fa olo-marina sy masina+ ka narovany. Isaky ny avy nihaino an’i Jaona izy, dia tsy hainy hoe inona no tokony hatao, nefa mbola faly foana izy nihaino azy.